Telo andro teo izay dia niaina fahoriana ny mpanjifan’ny Jirama Toamasina fa saika isan’ora dia tapaka hatrany ny herinaratra ary maharitra vao miverina, indraindra aza 24ora ny fahatapahana. Ireo miasa amin’ny tenany manokana mampiasa herinaratra no misedra olona amin’izany, ka isan’ireny ireo mpanjaitra sy ireo mpanamboatra volo ary ireo mpanao “soudure” samy hafa. Ny Zoma atoandro teo anefa dia niala tsiny tamin’ny mpanjifany ny talen’ny Jirama Toamasina tamin’ny alalan’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’izy ireo; ary nandritra izany no nanazavan’ny talen’ny Jirama Toamasina Atoa TOTO Jean de Dieu ny anton’ny fahatapahana izay antony telo no nahatonga izany hoy ny Jirama. Voalohany niteraka ny fahatapahan’ny herinaratra teto Toamasina dia ny tsy fanajana ny fifanarahana ara-barotra teo amin’ny Enelec sy ny Jirama. Raha 16MW no nifanarahana dia tsy nanome afa-tsy 04MW ihany ny Enelec. Ny faharoa nahatonga ny fahatapahana hoy ny Jirama Tpamasina hatrany dia ny fahasimbana tampoka teo amin’ny milina roa mpamokatra herinaratra tao anatin’ny tsy fanomezan’ny Enelec herinaratra aza ireo mihintsy no nitrangany. Mpamokatra herinratra 09MW ity simba ary efa natao izay nanamboarana azy ary efa vita izany ankehitriny hoy hatrany ny talen’ny Jirama Toamasina. Ny antony fahatelo niteraka ilay fahatapahana nisesisesy teto Toamasina telo andro izay dia ny fisian’ireo taborian’ny Jirama mampitohy an’i Volobe Toamasina II sy ny tobin’ny Jirama ao Betainaomby Tsararivotra izay mirefy 2.000M ny alakamisy alina teo, saingy tsy nisy tratra ireo andian-jiolahy nangalatra izany na nifanenjehan’ny zandary sy Jirama aza mandra-maraina ny alakamisy alina sy ny zoma maraina. Ity tarobiana herinaratra avy any Volobe Toamasina II ity anefa dia isan’ny mamatsy an’i Toamasina herinaratra 06MW eo, ary efa tafaverina amin’ny laoniny ankehitriny araka ny fanazavan’ny Jirama ihany.
Malala Didier




