- Publicité -
mardi, novembre 11, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Rongony 1,2 taonina, sarona tao Ambatobe

Antsohihy : Rongony 1,2 taonina, sarona tao Ambatobe

Noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny Fokonolona sy ny zandary avy ao amin’ny Kompanian’ny Zandarimaria Antsohihy, dia rongony 64 gony izay nilanja 1,2 taonina no tra-tehaka, ny zoma teo, tao Ambatobe, Fokontany Antabohitra, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambodimandresy, Distrikan’ Antsohihy. Raha ny vaovao voaray, vatan-dehilahy 32 no nilanja an’ireto jamala. Tao anaty fifanjevoana anefa, tafaporitsaka ny 31 tamin’ ireo nitondra ny rongony, fa mpilanja iray ihany no voasambotra ka nentina no- fotorana, raha mbola karohina fatratra kosa amin’izao ireo namany nandositra. Taorian’ny fanadihadiana tsy maintsy nataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ireto zava-mahadomelina sarona ireto, dia nodorana imasom-bahoaka teny akaikin’ny seranam-piaramanidinan’ Antsohihy ireo rongony ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici