- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSampan’ny “BFP” Toamasina : Polisy natao hisoroka ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy...

Sampan’ny “BFP” Toamasina : Polisy natao hisoroka ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy

Raha ny taona 2017 volana desambra no nijoro tao Antananarivo ny sampana “BFP” na “Brigade Feminine de Proximité”, dia izao vao nitsangana eto Toamasina izany sampan’ny “BFP” izany ka eo anivon’ny polisy misahana ny tanànan’i Toamasina I no misy ny foibeny. Sampana polisy vavy natao hisahana ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy amin’ny herisetra ary miara-miasa amin’ireo vondrona samihafa miady amin’izany koa ireo polisy vavy anatin’ny “BFP” ireto. Ireo toerana izay ahitana ankizy sy vehivavy mifamezivezy ary matetika itrangana herisetra amin’izy ireny, toy ny sekoly, tsena, fiangonana, ary eny amin’ny fokontany eny no toerana tena hiasan’izy ireo eto Toamasina. Ankoatra izay, dia natao hisahana ireo olona marefo eny an-dàlana amin’ny toerana misy azy koa ireto polisin’ny “BFP” ireto, tahaka ireo beantitra sy olona tra-pahasembanana, amin’ny fampiasana ny arabe. Nomarihan’ny kaomisera misahana ny tanànan’i Toamasina renivohitra ihany koa, fa tsy mifanohitra fa mifampiankina amin’ny polisy misahana ny ady atao amin’ny herisetra amin’ny vehivavy sy ny ankizy na “PMPM” eo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava ny “BMP”, satria natao hisoroka ny asan’ny “BMP” raha natao hisambotra sy hanadihady ireo nanao heloka kosa ny asan’ny “PMPM”. Efa nanomboka ny volana desambra no nanao ny asany ireo polisy vavy ao anatin’ity sampana vao nitsangana eto Toamasina “BFP” ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici