Manaraka akaiky ilay raharaha fitakiana ny famerenana ireo nosy Malagasy eo anivon’ny fari-dranomasina Indiana sy ny lakan-dranon’i Mozambika Atoa Zammit Mathias, izay mpikambana eo anivon’ny “Rassemblement Nationale” mpiara-dia amin-dRtoa Marie Le Pen, izay sady kandidà ben’ny Tanàna ao St Pierre La Reunion ny taona ho avy io. Ho azy dia tsy misy tokony hidiran’ny Frantsay sy ny filoha frantsay E. Macron ireo nosy Malagasy na “Iles Eparses” ireo, “an’ny Malagasy madiodio ireo, ka tsy tokony halain’ny filoha frantsay amin’ny Malagasy mihitsy”, hoy hatrany Atoa Zammit Mathias. Raha ny nambarany hatrany tamin’ny fanazavany ny heviny tamin’ny mpanao gazety, dia tokony ho ny fahantrana miha-lalina, ny tsy fananan’asa mihamahazo vahana, ny fahamaroan’ny tsy manan-kialofana na ireo “SDF”, ary ireo olana maro be miteraka fitokonana lavareny any Frantsa no himasoan’ny filoha frantsay; izay tena lalina tokoa ao La Reunion ankehitriny, fa tsy hitsabaka amin’ny nosy efa tsy an’i Frantsa ireo intsony. Miara-dia amin’ny fanjakana Malagasy amin’ny fitakiana famarenana ireo nosy Malagasy ireo, ny vahoakan’i La Reunion, indrindra fa ny mpikamban’ny “Rassemblement Nationale” hoy hatrany Atoa Zemmit Mathias. Mila mijoro sy tsy manaiky lembenana ny fanjakana Malagasy mandritra ny fiaraha-midinika hatao ny tapa-bolana izao any frantsa.
Malala Didier