- Publicité -
mardi, novembre 11, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Dahalo mitam-basy raindahiny roa lahy, azo sambo-belona

Tsaratanàna : Dahalo mitam-basy raindahiny roa lahy, azo sambo-belona

Rehefa nokarohina natao hazalambo hatry ny ela, ka taorian’ny fanomezam-bavoavao mari-pototra avy tamin’ny Fokonolona tsara sitrapo, dia voasambotry ny miaramila mpampandry tany (holafy 322/2RM3), afak’omaly, tratra tao amin’ny kizo niafenany ny lehiben-dahalo raindahiny roa lahy mitam-basy. Niaraka tra-tehaka tamin’ireto dahalo mitam-piadiana ireto ihany koa ny omby miisa 70, izay efa tafaverina tanteraka amin’ny tompony ankehitriny. Raha ny vaovao voaray, ireto roa lahy ireto no mpitari-tafika tompon’antoka tamin’ny fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny Fokontany Antaniditra, Kaominina ambanivohitra Ampandrana, Distrikan’i Tsaratanàna, izay nahaverezana omby miisa 93 ary nahamaizana trano 57 tafo, ny 11 novambra lasa teo. Ny borigadin’ny Zandarimaria ao Brieville no mandray an-tanana ny famotorana an’ireto lehiben-dahalo azo sambo-belona. Aorian’ny fakana am-bavany an’ireto olon-dratsy, dia hatolotra ny Fitsarana ao Maevatanàna tsy ho ela izy ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici