- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIsoraka : Mpivarotra amoron-dalana voatifitry ny jiolahy

Isoraka : Mpivarotra amoron-dalana voatifitry ny jiolahy

Hatreto dia tsy fantatra mazava izay totalin’ny vola lasan’ireo jiolahy, araka ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisy misahana iny faritra iny.

Lasa ihany ny saina : nanantena ahazo ohatrinona tamin’ity mpivarotra enta-madinika, mamelatra ny entany eny amoron-dalana ireo jiolahy, no dia tonga nanafika niaraka tamin’ny basy mihitsy, ary tsy menatry ny nitifitra ? Omaly hariva tokony ho tamin’ny dimy ora hariva lasa kely tany ho any, raha mbola tao anaty fiatoana kely tamin’ny ora-mikija sy niomana ny handeha haingana hamonjy fodiana ny olona rehetra no nitranga fanafihana mitam-piadiana indray teny amin’iny faritra Isoraka iny, raha ilay avy miakatra avy eo Ambodifiakarana Isotry. Ramatoa iray, mpivarotra amoron-dalana, araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy no lasibatra teto. Raha ny vaovao azo hatrany dia roalahy ireo olon-dratsy, izay nitondra basy poleta, efa niezaka nanara-maso ilay ramatoa avy nangorona ny entany. « Namoaka finday, toa ireny olona nisy niantso ireny ny iray tamin’ireo olon-dratsy nitondra ilay basy. Ka raha vao vita ny antsony dia avy hatrany dia nitifitra tsy nisy alaharo alaharo ileio » hoy ny filazan’ireo nanatri-maso. Ny feom-basy nipoaka no nanaitra ny rehetra ary samy nikoropaka namonjy ny ainy avokoa ny rehetra. Tao anatin’izany rehetra izany no nanaraotan’ireo olon-dratsy nitsoaka niaraka tamin’ny vola « versement » an’ilay ramatoa  tany aminy. Ity farany kosa, tetsy andanin’izay, nitolefika moramora tao anaty rà mandriaka. Nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana teo ho eo ihany ity mpivarotra voatifitra ity. Marihana hoy hatrany ny angom-baovao azo fa matetika dia ahitàna pôlisy misava sy mandamina fifamoivoizana teo amin’io toerana io. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana anefa dia tsy nisy teo. Heverina fa noho ny orana no anton’izay. Efa manao ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy ireto farany, raha ny fanazavàna azo tamin’izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici