Mpivarotra amin’ny ambogadiny entana fampiasa andavan’andro no voatafika amin’ny andro antoandro, omaly, tetsy Ambodifilao. Manodidina ny tamin’ny 11 ora sy sasany no tonga ny dimy lahy nitam-basy ary niditra avy hatrany tao anatin’ilay toerana, mody nanao toy ny mpividy. Rehefa tao anatiny anefa dia namoaka basy sy antsy avy hatrany. Olona iray izay nitondra sakaosy no tena lasibatr’ireo. Hatreto dia azo heverina fa olona handrotsaka vola ao amin’io fivarotana io no anton-dian’ilay olona; izay tsy nananan’ireo olon-dratsy antra fa notsatohana antsy teo amin’ny lohany sy ny hatony. Naratra mafy nitsirara tamin’ny tany io. Nalaina ny sakaosy teny aminy. Tsy vitan’izay, fa mbola norahonana koa ny mpivarotra izay tsy afa-nanoatra ary nanaiky ny baikon’ny jiolahy. Nomena tsy satry ny vola izay tao anatin’ny fitoerany. Mbola nalain’ireo koa ny finday rehetra izay hitany tao. Isan’ny lasa ny an’ny mpividy hafa izay tavela tao anatin’ilay trano fivarotana. Izany fangalana finday izany, dia sady halatra no fomba iray mba tsy hahafahan’ny olona miantso ny mpitandro ny filaminana. Minitra vitsy taty aoriana dia nivoaka ireo olon-dratsy ary tsy nihazakazaka akory na ny kely aza. Ny basy no nampiasain’izy ireo napoaka mba hanaparitahana ny olona. Tsy nisy sahy ny nanenjika vokatr’izany. Taim-bala teo no hitan’ny polisy izay nanao fisafoana teo an-toerana rehefa nantsoin’ny manodidina. Ireo jiolahy kosa dia nizotra niatsinanana ary nihazo ny « pavillon » eny Andohananalakely iny ny làlany. Nentiny avy hatrany teny amin’ny Hjra ny naratra mba ho fanavotana ny ainy. Mitady vola indray ny jiolahy amin’izao vanim-potoana an-katoky ny fety izao. Toe-javatra efa miverimberina toy ny isan-taona izany ary mitaky fahamailoana amin’ny olona, indrindra ireny mpivarotra ireny. Vao afak’omaly koa no nisy ramatoa voatifitra tetsy Isotry kanefa dia varotra antsisin-dàlana no antom-pivelomany. Tsy mifidy ny hotafihana ireo olon-dratsy izay mirongatra rehefa akaiky fety. Mila mandray fepetra mifanandrify amin’izany ny polisy ary miparitaka eny amin’ny toerana be olona sy be mpivarotra, fa tsy variana be loatra amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana.
D.R