- Publicité -
mardi, août 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFamoanana mpianaka : Gadra mandram-pahafaty i Nomenjanahary Tsilavina

Famoanana mpianaka : Gadra mandram-pahafaty i Nomenjanahary Tsilavina

Isan’ny raharaha vono olona izay niteraka resa-be teto Toamasina ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’ny Rtoa Kalo Honorette izay bevohoka telo volana sy ny zanaky Kenzo Ulrich Jaofera 06 taona tao Analakininina hopitaly be Toamasina.

Olona roa no voaroiroy tamin’izany vono olona izany, dia ingahy Nomenjanahary Tsilavina 22 taona nosamborina tany Manakana Antanambao Manampontsy izay ny nahiditra fonja vonjy maika ny 15 avrily 2019, izay misazy asa an-terivozona mandra-pahafatiny araka ny didin’ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina omaly alarobia sy mandoa onitra 50 tapitrisa ariary ; sy ingahy Rakotonoely Tanteliniaina izay nahazo fahafahana fonjy maika talohan’ny fitsarana izay tsy tonga nandritra ny fitsarana ny raharaha ny alarobia teo ary nohafahana’ny fitsarana noho ny fisalasalana tamin’ny fitsarana ny alarobia atoandro teo.

Raha iverenana ny zava-nitranga tamin’ny fitsarana dia tsy nandà ny heloka be vava vitany ingahy Tsilavina nandritra ny fitsarana ny raharaha, saingy ilay vono olona no nekeny sy nataony fa ilay resaka fanapozinana kosa nolaviny hatramin’ny farany. Nohazavainy antsipirihany mihintsy ny fomba namonoany an’ny Rtoa Kalo Honorette izay mbola bevohoka telo volana sy ny zanany Kenzo Ulrich Jaofera 06 taona ny alatsinainy 19 marsa nifoha ny tatala 20 marsa 2019 tamin’ny 01ora marina io. Nolazainy fa nodarohany bara na trano ilay ramatoa aloha dia torana, avy eo notrobary hety sy “forchette” ary antsy amin’izay ny fony sy kibony ary ny lohany. Toraka izany ka ny namonoany ilay zazalahy 06 taona izay mbola nampiasainy ireo fitaovana ireo saingy niampy ny masony ny an’ilay zazalahikely. Mbola nifampiresaka tamin’ny finday niantso vonjy tamin’ny vadiny ilay ramatoa raha niverina ny ainy taorian’ilay toran’ny daroka bara na trano, ary tsy nisalasala nilaza fa ingahy Nomenjanahary Tsilavina no nahavita namono azy tahaka izao.

Raha ny fanazavan’Atoa Jaofera Serengo tompom-bady sy ilay zaza maty mpitory dia tsy nanafatra ny fiverenan’i Tsilavina izy ireo raha voaroaka ka nody tany Antanambao Manampontsy izy raha telo volana niasa tamin’izy ireo. I Tsilavina no nangataka ny hipetraka tao amin’izy ireo indray aloha mandra-pahitany asa hafa indray tamin’ny fiverenany, nefa izao nahavita vono olona telo mianaka feno habibiana izao raha efatr’andro no nahatongavany indray teto Toamasina. Ilay tsy fahazoana saran-dalana hiverenana any Antanambao Manampontsy raha tsy nahita asa avy tamin’ireto fianakaviana ireto indray izany no antony nahatonga azy namono feno habibiana azy telo mianaka ireto izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici