Mahatafiditra olona hiasa eo anivon’ny fanjakana. Izay no nentiny nandainga tetsy sy teroa ary nahazoany vola. Milaza ho mpiasan’ny prezidansa izy mba hahatontosany ny fisolokiany. Nisy olona izay nahazoany hatramin’ny 3,5 tapitrisa ariary. Voasambotra ihany io lehilahy mpisoloky rehefa nisy ny fitoriana izay napetraky olona. Hatreto dia enina no efa nangalany vola nefa tsy tafiditra ho mpiasam-panjakana. « Tamin’ny fotoana nisamborana ilay lehilahy mpisoloky koa dia nisy ny fisavana azy sy ny fiara izay nentiny ka tamin’izany indray no nahitan’ny polisy kitapo 01 sy valopy lehibe maro izay tao anaty fiarany. Atotan-taratasy maro momba ny fitadiavana asa sy kopia kara-panondro ary antotan-taratasy maro hafa no tao anatin’ireo valopy ireo » raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka bevava. Taorian’izay dia nantsoina ny tompon’ireo CV maro ireo ary ireo farany dia samy nilaza fa nampanantena azy ireo ilay lehilahy fa mahatafiditra ho mpiasam-panjakana ary nentiny nandresy lahatra ny hoe mpiasan’ny fari-piadidiana ny Repoblika ny tenany. Isan’ny tonga nametraka fitoriana koa ny tompon’ny fiara izay nofain’ny mpanao ratsy. Maro izay efa nisoloky amin’io fomba notantaraina teo ambony io. Maro koa anefa no mbola voajonony.
D.R