- Publicité -
mardi, août 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMarotsipoy Anjozorobe : Efa olona efatra no maty, mitaky 40 tapitrisa ireo mpaka...

Marotsipoy Anjozorobe : Efa olona efatra no maty, mitaky 40 tapitrisa ireo mpaka takalonaina

Miha-mahery vaika. Hatramin’ny omaly hariva, nahazoanay vaovao farany avy any an-toerana dia fantatra fa efa tafakatra efatra ireo olona novonoin’ireo andian-dahalo, raha mbola eny am-pelan-tanan’izy ireo kosa ilay raim-pianakaviana nentin’izy ireo natao takalon’aina. Vola manodidina ny efapolo tapitrisa ariary eo ho eo no takian’ireto olon-dratsy ireto ho tambin’ny famotsoràna azy.

Ambonin’ireo miaramila sy ireo zandary any an-toerana efa manao hazalambo sy fikarohana ity raim-pianakaviana ity dia mbola nisy mpitandro filaminana maromaro nalefa atao fanampin’izy ireo any an-toerana, raha ny hita omaly. Marihana mantsy dia mahatratra am-polony maro ireto andian-dahalo nitondra takalonaina ireto ary mirongo basy avy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao. Efa nentina teto omaly fa misy amin’izany fitaovam-piadiana izany no karazan’ireo tena mahery vaika tokoa. Ny alin’ny alatsinainy lasa teo no nitranga ity fakàna takalonaina ity tao amin’ny kaominina Marotsipoy Anjozorobe. Raim-pianakaviana iray, mpamboly sy mpivarotra,  fantatry ny maro any an-toerana amin’ny anarana hoe « Haja » izay monina ao amin’ny fokontany Bemandrona ity lasibatra ity. Nanomboka tamin’io fotoana io, taorian’ny fanafihana, no niezaka nanara-dia ireo fokonolona tany an-toerana. Saingy atody miady amim-bato moa ka nisy tamin’izy ireo no lavo avy hatrany. Nitohy hatramin’ny omaly ny vono moka nataon’ireo olon-dratsy ka io tafakatra efatra io hatreto ny namoy ny ainy, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary any an-toerana.

Fantatra fa misy ny fifandraisan’ireo olon-dratsy amin’ny fianakavinan’ity lehilahy ity amin’ny alalan’ny finday miafina laharana. Tamin’izany no nitakian’izy ireo ilay vola mitentina 40 tapitrisa ariary ho tambin’ny famotsorana ilay olona eny am-pelan-tanan’izy ireo. Tokony ho omaly hariva, tao amina tanana iray antsoina hoe Anosiboribory, Ambavasambo no voalaza fa toerana hanaovana ny fifanakalozana, saingy hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy raikitra izany io. Mbola miandry ny toromarik’ireo mpaka takalonaina, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo.  Na izany aza anefa dia efa mipetrapetraka ny paik’adin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana manodidina izany faritra izany. Tsiahivina fa tsy mbola fantatra hatreto ny toerana hitobian’ireo olon-dratsy sy hiafenan’izy ireo.Andrasana araka izany ny tohin’ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici