- Publicité -
mardi, août 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Tovovavy 07mpianatry ny sekolim-pinoana , nihetsika ambalavelona

Fianarantsoa : Tovovavy 07mpianatry ny sekolim-pinoana , nihetsika ambalavelona

Zazavavy  fito izay mandranto fianarana amina sekolim-pinoana tsy miankina iray ao an-drenivohitry Fianantsoa no tratran’ny « ambalavelona ». Raha ny vaovao voaray, telo vavy no voan’ity trangan’aretina hafahafa ity, ny tapak’ andron’ny alarobia teo. Tao anatin’ny ora fanaovana « étude », tokony ho tamin’ny vao ora naraina, tovovavy iray nikiakiaka nitoreho sy nitaraina mafy no nanaitra ny rehetra. Nifampitazoman’ny tovolahy mpiara-mianatra aminy izy, nefa nitady làlana hatrany hitsoaka, ka olona maromaro vao nahatazona azy, ary nobataina hiditra tany an-dakilasy. Taorian’izay, natao daholo izay rehetra azo natao, fa tsy nety nijanona ilay aretina. Afaka ora iray, tovovavy roa hafa no niara-nihizitrizitra sy nitomany ary torana avy teo. Manoloana ny zava-nisy, nampandrenesin’ny sekoly avy hatrany mahakasika ny tranga ny ray aman-drenin’ireto mpianatra, ka samy naka ny zanany tany am-pianarana. Nihevitra ny rehetra, fa nilamina hatreo ny raharaha, satria tsy nisy niverin-kariva ny mpianatra, ny alarobia io. Kanjo, omaly maraina, mbola niverina indray ity trangan’aretina ity, ka mpianatra  efatra no lasibatra. Na tovolahy matanjaka sy ranjanana ao amin’ity sekoly ity aza tsy nahatazona an’ireto tovovavy tratran’ny ambalavelona.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici