- Publicité -
jeudi, août 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Ankizikely niaraka tamin’ny omby dimy maty nilatsaham-baratra

Anjozorobe : Ankizikely niaraka tamin’ny omby dimy maty nilatsaham-baratra

Namoizana aina iray indray ny varatra tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, ny alahady hariva lasa teo. Tovolahy kely iray, mpiandry omby no namoy ny ainy teo ho no eo nilatsaham-potaka. Dimy tamin’ireo omby nandrasany ihany koa moa no maty tamin’io fotoana io. Tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Tsarasidina ao amin’ny kaominina Amparatanjona, distrika Anjozorobe no nisehoan’ity tranga mampalaelo ity.

Efa mailo ihany ity ankizilahy mpiandry omby ity raha vao nanomboka nihamainty ny rahona ary nandona tany ho any ny kotraka. Tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo anefa, raha teny an-dalana hampody ny omby avy nandrasany izy sy ny ankizilahy mpiandry omby iray namany no nirefotra indray mandeha ny varatra, ary niantefa teny aminy sy tamin’ireto biby fiompy ireto. Nipitika lavitra mihitsy izy ary may tanteraka ny ilan’ny vatany iray manontolo. Nidaraboka avy hatrany ihany koa ireo omby niisa dimy. Ilay tovolahy kely iray namany no nihazakazaka nampandre ny fokonolona tany an-tanana. Nezahina nentina namonjy toeram-pitsaboana ihany ity ankizy nilatsaham-potaka ity saingy indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy. Masiaka, araka ny fitenenana tokoa ny varatra any amin’iny tapany Avaratr’Anjozorobe iny. Tsy vao izao no nandrenesana olona namoy ny vokatry ny filatsaham-baratra tany an-toerana ary mazàna dia saika ireo olona eny an-tsaha, mpiandry omby na mpamboly no lasibatra raha vao mipaika fotsiny ny fahavaratra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici