Efa nampiantona mpitsara teo anivon’ny fitsarana ambaratonga ambony teto Toamasina ny fanomezana fahafahana vonjy maika an’i “Haja kidnapping”, taorian’izay dia nivoaka ny didy fampisamborana azy manerana ny nosy noho ny fanoheran’ny fampanoavana ambony teto Toamasina ilay didy nanafaka azy am-ponja. Roa herinandro teo anefa izay dia saron’ny zandary tao amin’ny antenmieram-pirenena i “Haja kidnapping” ka voasambotra na niezaka ny nitsoaka aza. Mandalo fanadiadiana eo anivon’ny zandary ny tenany izao saingy efa hifandroritan’ny fitsarana ambony Toamasina sy fitsarana ambony Antananarivo ny raharaha amin’izao raha ny angom-baovao natao. Voalazan’ilay vaovao ihany koa fa miezaka manao izay rehetra hamindrana ny raharaha eo anivon’ny fitsarana Antananarivo ireo olom-panjakana maro sy ny fianakaviany ary ny mpiaro azy; na manao izay ezaka hiazonana ny raharaha ho eto Toamasina nitrangan’ilay fakana an-keriny nataony ny olom-panjakana sasany sy ny fitsarana eto Toamasina. Ankoatra izany dia nandritra ny fahazoany ilay fahafahana vonjy maika na efa namoahana didy fampisamborana aza i Haja amin’ny maha-olona akaikin’ny olom-panjakana maro azy dia afaka nivezivezy tany ampitan-dranomasina ny tenany, rah any angom-baovao aza dia efa in-enina izy no nivoaka tany ivelany taorian’ny fahazoany ilay fahafahana vonjy maika teo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina ity. Ho hita eo izany izay ho tohin’ny raharaha “Haja kidnapping” ity atsy ho atsy.
Malala Didier