Zazalahy roa mpianatry ny EPP sahabo ho fito sy valo taona eo no tra-tehaka nangalatra telefaonina, omaly naraina, tokony ho tamin’ny valo ora, tany Sambava. Handeha hianatra no nialan’ireto ankizy ny an-tranony, nefa nanitan-tsaina nivily lalana izy ireo. Raha ny vaovao voaray, tovolahy iray nandeha bisikileta no lasibatr’ireto « foroche » kely ireto, ka lasa ny finday. Rehefa nifanenjehana dia takatra (tratra) ihany, ary niaiky ny heloka vitany izy roa lahy. Rehefa voadaroka dia nifona mafy sy nandohalika ireto mpangalatra, ka nalefa namonjy ny fianarany. Raha ny vaovao voaray hatrany, ny zoma teo, dia efa tra-tehaka nangalatra lamba « friperie » tao Antaimby ihany koa ireto zandrikely, nefa mbola tsy fay izao. « Zaza efa tsy voabaikon’ny Ray aman-dreniny intsony ireto, ka mila faizina mafy », hoy ireo nanatri-maso. Rehefa nanontaniana kosa ireto zaza faingan-tanana, dia nilaza ho tsy ampy sakafo sy tsy manana « goûter » hono, ka mangalatra.
Eric Manitrisa