- Publicité -
mercredi, août 6, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaintirano : Dahalo mpanakan-dalana sy mpamaky trano 04 mianadahy, azo sambo-belona

Maintirano : Dahalo mpanakan-dalana sy mpamaky trano 04 mianadahy, azo sambo-belona

Rehefa miha ritra ny omby any amin’ny Faritra Melaky, dia mandroba tokantrano sy manakan-dalana indray ny fanaon’ny dahalo ankehitriny. Noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, dia voasambotry ny zandary tao Betanatana afak’omaly, ny efatra mianadahy tamin’ireo malaso mpanakan-dalana sy mpamaky trano, ka vehivavy ny iray. Raha ny vaovao voaray, rehefa nosavaina ny tranon’izy ireo, dia entana mitentim-bidy an-tapitrisany maro toy ny bisikileta, vilany sy kojakoja an-dakozia, panneau solaire, . . . , ary ody gasy isan-karazany no tra-tehaka niaraka tamin’ireto olon-dratsy mitam-piadiana malaza ratsy sy ikoizana amin’ny fanakanan-dalana any amin’ny Distrikan’i Maintirano ireto. Mitohy kosa ny fikarohan’ny mpitandro filaminana an’ireo olon-dratsy tafaporitsaka naman’ireto voasambotra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici