- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversNosy-be : Mpibizina « héroïne » roa lahy tra-tehaka

Nosy-be : Mpibizina « héroïne » roa lahy tra-tehaka

Noho ny fizaram-baovao mari-pototra nisy teo amin’ny vahoaka sy ny samy mpitandro filaminana, fa misy mpibizina rongony maherivaika, dia nidina avy hatrany tamin’ilay toerana voatondro ireo zandary avy ao amin’ny borigadin’ny Dzamandzar Nosy Be, rehefa nahazo antso an-tariby, afak’omaly. Nametraka paik’ady nanjonoana mora an’ireo jiolahy, ka tra-tehaka ambodiomby tao tsy afa-nitsoaka intsony ny roa lahy mpivarotra sy mpitsindrona « héroïne ». Sarona niaraka tamin’ireto mpibizina jamala ireto ihany koa ny fitaovana sy kojakoja maromaro fitsindronana sy fandanjana rongony. Aorian’ny famotorana moa dia hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela ireto roa lahy tra-tehaka, raha mbola mitohy kosa ny fikarohana sy fanaovana hazalambo ny naman’izy ireo, hoy ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici