- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTaxi-be nahafaty olona : Nosamborina tany amin’ny faritra ny mpamily nitsoaka

Taxi-be nahafaty olona : Nosamborina tany amin’ny faritra ny mpamily nitsoaka

Nanomboka tamin’ny volana oktobra no nandeha ny fikarohana ilay mpamily taxi-be zotra 150 izay nitsoaka rehefa nanitsaka ka nahafaty ramatoa 82 taona tetsy Ankorondrano. Ny 23 oktobra no niseho izany lozam-pifamoivoizana izany, ary notanterin’ny haino aman-jery maro ny ampitson’iny. Tsy hita ilay mpamily ary najanony teo an-toerana ny fiara. Tsy ela dia fantatra ny momba azy rehefa nandeha ny fanadihadianan’ny borigadin’ny polisy; izay misahana ny raharaha momba ny lozam-pifamoivoizana (BAC). Nokarohina teto an-dRenivohitra izy ary tsy hita mihitsy amam-bolana maro. Olona izay tsara sitrapo no nanome vaovao ny polisy ny amin’ny fitsoahan’ilay lehilahy any amin’ny faritra. Izany dia taorian’ny famoahana « avis de recherche » izay nataon’ny mpitandro ny filaminana. Natao ary ny fanarahan-dia ilay jiolahy avy amin’ny vaovao azo, ary dia tany Fandriana izy no sarona. Teo amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka, raha araka ny fanazavan’ny BAC, izy no sarona. Izany hoe mety ho azo heverina koa fa efa saika hiova toerana indray mba hitsoahana amin’ny andraikitra. Nisy vela-pandrika nataon’ny polisy izay vao azo ilay lehilahy. Mitombo arak’izany ny vesatra  anenjehana ity saofera nitsoaka andraikitra ity ary lasa heloka telo sosona dia: ny vono olona tsy niniana, ny tsy fanavotana olona miady aman’aina ary ny heloka momba ny fitsoahana andraikitra. Izany dia mety hitombo arak’izay mety ho valin-teniny amin’ny polisy mpanao fanadihadiana. Mahavelom-bolo ny fanohizana fanadihadiana hatramin’ny farany izay atoan’ny BAC toy izao. Ny antony dia be loatra ary mitady ho lasa fahazaran’ny mpamily, na fiara io na moto, ny mitsoaka rehefa avy mandona olona.

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici