Nanao izay ho afany ny jiolahy ny alin’ny alatsinainy teo, teny amin’iny faritra Anosibe iny. Raha ny angom-baovao azo dia tokantrano maromaro no nasesin’izy ireo notafihana ka nahazoany vola manodidina ny 18 tapitrisa ariary mahery teo. Olona iray kosa no voalaza fa voatifitra tamin’io fotoana io ary namoy ny ainy. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no nitranga ity fanafihana mavaivavy ity, araka ny vaovao azo teny anivon’ireo mpitandro filaminana. Nanao andiany maromaro ireo mpanafika ary nirongo basy sy zava-maranitra. Ankevitry ny efa fantatr’ireo olon-dratsy ny fisiana vola tao amin’ireo tokantrano ireo, satria raha vao tafiditra tao amin’ireo tokantrano maromaro ireo izy ireo dia ny vola avy hatrany no notakiany, rehefa voafehin’izy ireo ny olona rehetra tao. Voalaza mantsy, raha ny angom-baovao azo hatrany fa nisy olona iray tamin’ireo tokantrano voatafika ihany no nikasa ny hanohitra azy ireo, kanjo dia tifitra variraraka avy hatrany no niantefa teny amin’ity farany. Mazava ho azy ihany koa, rehefa sendra ny olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana isan-karazany ireo tompon-trano ary vonon-kamono avy hatrany dia natahotra ary nanaiky hatramin’ny farany izay nolazain’ireo mpanafika. Ny teo amin’iny manodidina ihany koa tsy nisy sahy nivoaka rehefa naheno ny feom-basy nanakoako teny amin’iny faritra iny. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny zavatra nokasainy halaina, dia nitsoaka avy hatrany ireto farany ary taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Novonjena avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana ihany koa ilay naratra, saingy indrisy, fa noho ny halalin’ny ratra sy fahabetsahan’ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Taorian’io ihany koa no tonga ny mpitandro filaminana, izay avy hatrany dia nanao savahao ny manodidina sy nametraka sakana tamin’ireo làlana izay mety ho nitsoahan’izy ireo. Re fa toa hoe efa nisy iray tratra tamin’ireo mpanafika, saingy sady tsy nanamarina no tsy nandiso izany ireo mpitandro filaminana. Mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka sy ny fikarohana ireo mpanao ratsy izy ireo, hoy ny fanazavana azo. Ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faharoa etsy Anosy moa no nandray an-tànana ny raharaha.
m.L