Andian-jiolahy 04 noho izany no tratra ny zandary ambodiomby teo am-pangalarana tarobia na herinaratry ny jirama tao Tanandava, ka ny 03 voatifitra ny zandary izay ny 02 maty avy hatrany raha mbola afa-nandositra 400m vao maty ny faha-03. Ilay jiolahy faha-04 antsoina hoe “Piso” kosa dia hifampitadiavana miaraka amin’ny fitaovana fampiasan’izy ireo amin’izao fotoana izao fa tafatsoaka nandritra ny fotoam-pisamborana azy ireo. “Tsy handefitra amin’ireo jiolahy sy ireo mpividy halatra ary ireo mpanelanelana tratra momba ny resaka halatra tarobia na herinaratry ny jirama ny fitsarana. Hampitovianay amin’ny raharaha fakana an-keriny sy fanolanana ary famonona olona ny resaka halatra tarobia na herinaratra amin’ny fidsahan’ny fitsarana azy”, hoy Atoa Lauret Rajaonah Thierry tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina. Noho ny fitarainan’ny Jirama amin’ireo fangalarana andian-jiolahy ny tarobiany izay efa mahatratra 37Km ny very tao anaton’ny 02 taona, izany hoe 25Km ny taona 2018 sy tarobia 12Km ny taona 2019, izany antony mahatonga fatapahana herinaratra matetika eto Toamasina ihany koa izany dia nanome baiko ny Emmo-Sécurité hanao ezaka amin’ny fisahanana izany ny tonia mpampanoa lalana sy ny prefektioran’i Toamasina misahana voalohany ny filaminam-bahoaka eto Toamasina. Efa mandeha ny sihon-dresaka fa ireo mpanamboara varavarava sy varavarakely ary fitaovan-trano amin’ny alalan’ny viraty no tena mpividy ireo tarobian’ny Jirama halatra ireo, ka eo am-panarahana izany ireo mpitandro ny filaminan’ny Emmo-Sécurité amin’izao.
Malala Didier