Iray volana latsaka teo izay, ny 20 novambra lasa teo, no niakatra fitsaràna tao Miandrivazo ilay raharaha famonoana manamboninahitra miaramila, maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana nitranga tany an-toerana. Voarohirohy tamin’izany ny mpandraharaha iray, patiraona omby any amin’iny faritra iny. Nihevitra ireo mpanaraka ity raharaha ity fa vita hatreo ny amin’iny ary hibaby ny valin’ny nataony ny tompon’antoka tamin’izany. Tsy izay anefa no nitranga. Fantatra mantsy fa niakatra ho amin’ny ambonimbony kokoa ny raharaha ary hotsaraina eo anivon’ny « cours d’appel », etsy Anosy anio izany raha tsy misy ny fiovàna, araka ny angom-baovao azo. Azo heverina araka izany fa mety ho tsy nahafapo ireo mpitory ny didy nivoaka tany amin’ny fitsaràna tany Miandrivazo ka izao nampiakarina taty an-drenivohitra izao. Maro ny manaraka ny fizotr’ity raharaha ity ary manahy mafy ny hisian’ny tsindry isan-karazany, miharo kolikoly avo lenta tokoa mantsy ireo mpanaraka ny raharaha, ka nahatonga azy ireo hampiakatra toa izao. Tsiahivina mantsy fa voalaza ho fanta-daza loatra any amin’iny toerana iny ity olona voarohirohy ity fa toa hoe olona « lava tanana » sy « tsy hay kitihana » ary mahavita « mampihorohoro » na « mamono mahafaty » izay olona manelingelina azy mihitsy. Ka mbola miantso ireo tompon’andraikitra mahefa hatrany hijery akaiky izany izy ireo fa indrindra moa ireo mpitandro filaminana izay azo lazaina fa niharam-boina tao anatin’izao vono olona izao.
Nangonin’i m.L