Habibiana tsy misy toa izany no namonon’ireo olon-dratsy ireto mpivady tany amin’iny distrikan’Amparafaravola iny ny alin’ny talata lasa teo. Tsy vitan’ny efa nampijalijaliana mantsy izy ireo fa mbola norasarasaina tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny vatany ary izay no nitarika ny fahafatesan’izy ireo. Vola maherin’ny enina tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy raha ny fampitam-baovao avy amin’ny namana any an-toerana. Ny talata hifoha alarobia no nitranga ity fanafihana miharo vono olona ity tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambohitromby, Ambodirano, distrika Amparafaravola. Tsy nisy naheno ny fanafihana, raha ny fampitam-baovao azo hatrany. Voafehin’ireo olon-dratsy, tsy hisy higiaka na dia feo kely akory aza tamin’izy mivady novonoina ireto. Hany ka ny vatana mangatsiakan’ireo mpivady efa nihoson-drà teo am-pandriana sisa mantsy no hitan’ny olona nony maraina ny andro. Nandeha ny feo araka izany fa mety ho olona akaiky azy ireo ihany no nahavita izao. Olona izay mahafantatra tsara ny fisian’io vola io teo am-pelan-tanan’ireto olona roa efa samy nahazo taona ireto. Tamin’io fotoana hatrany moa no niantsona ireo mpitandro filaminana tany an-toerana izay nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha. Efa mandeha araka izany ny fikarohana ireo izay mety nahavanon-doza nahavita izao heloka bevava izao.
m.L / Janus