Manoloana indrindra ny fiparitahan’ny basy mahery vaika eny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy dia nisy hatrany ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny zandary tany amin’iny faritra Manandriana iny. Nahitàm-bokany io satria dia basy mahery vaika « kalach » efa noboriana ny vodiny no sarona tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambohibato, fokontany Ambohipeno, kaominina Ambohipo, distrika Manandriana ny alin’ny talata lasa teo. Raha ny fanazavàna azo dia teny am-pelan-tanana roalahy nampiahiahy tany an-toerana nandritra ny fisafoana natao ity fitaovam-piadiana ity. Ireto roalahy kosa moa, raha vao nahita ireo mpitandro filaminana dia nanao tari-dositra ka namela ny entany teo. Tamin’ny fisavàna izany no nahitàna ilay basy sy akanjo maromaro. Inoana fa jiolahy handeha hanafika izy ireo ka izao nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izao. « Tsy maintsy ho tratra ihany ireo jiolahy nitazona ny basy ireo. Manoloana ny mety mbola fisian’ny basy mahery vaika maro eny ampelatanan’ireo dahalo dia nozaraina akanjo mitemitra tsy laitram-bala ireo Zandary any an-toerana », hoy ny fanazavàna.
m.L