Nokendaina dia nopotsirina ny masony rehefa vita ny filan-dratsin’ireo jiolahim-boto. Rehefa hitan’ireo fa tsy nihetsika intsony ary noheverina ho faty dia natsipy teny an-tanimbary amin’izay. Habibiana toa izany no nitranga teny Ambohipo ny alin’ny alarobia teo. Handeha hamonjy alim-pandihizana ny vehivavy iray tamin’io fotoana io ary niaraka tamin’ny lehilahy izay sakaizany. Tsy nisy fanahiana arak’izany hatreo ny amin’ny maha-olon-dratsy ilay lehilahy. Rehefa teny an-dàlana dia nilaza ilay lehilahy fa haka fanampim-bola ao an-tranony izy ary nanainga ilay vehivavy mba hiaraka aminy. Rehefa teo amin’ny maizimaizina sy mangingina, amin’ny làlana hizotra any amin’ilay trano, dia nisioka tokana ilay lehilahy. Bandy dimy no indray nipoitra avy tao anaty maizina ary nitazona avy hatrany ilay vehivavy. Nanao ny filan-dratsiny teo ireo. Rehefa vita izay, araka ny voalaza etsy ambony dia nokendaina sy nopotsirina maso ilay vehivavy ary nariana teny an-tanimbary rehefa tsy nihetsika intsony. Noheverina fa afaka ny ainy. Ny marainan’iny dia nisy nahita teny an-tanimbary ary efa reraka tanteraka, miady amin’ny fahafatesana. Teo no nampandrenesina ny fianakaviany izay nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Rehefa izany dia mba avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. Niverina ny fitadidiany ary afaka nametraka fitoriana izy. Noraisin’ny polisy misahana ny raharaha momba ny heloka bevava ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny nisamborana ny iray amin’ireo lehilahy. Tadidin’ilay vehivavy tsara ny feony ary dia tsy afa-niala intsony ny mpanolana sy mpamono olona. Olom-pantatra ihany io raha araka ny fanazavan’ny BC. Tsy afaka ny mahita intsony ny mason’ilay vehivavy ary isan’ny nipotsirana ny masony ny mba tsy hamantarany ireo olona intsony raha sanatria ka misy fanadihadiana mandeha any aoriana. Notantanana izy nandritry ny fanadihadiana ary koa teny amin’ny fampanoavana omaly. Hatramin’ny nanoratana omaly dia mbola tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana ilay nahavanon-doza. Mbola karohina kosa ny lehilahy dimy hafa izay niray tsikombakomba tamin’ity raharaha heloka bevava ity.
D.R