- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndapa : Renim-pianakaviana hita faty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Andapa : Renim-pianakaviana hita faty, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Na dia teo aza ny ezaka samihafa nataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, dia mbola mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana any amin’ny Distrikan’ Andapa, Faritra Sava, ka miaina ao anaty horohoro sy tahotra tanteraka ny mponina any an-toerana, ary lasa tsy sahy mandeha irery ny ankamaroan’ny olona amin’izao an-katoky ny fetin’ny Asaramanitra izao, indrindra amin’ny alina. Renim-pianakaviana iray mbola tanora herotrerony no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, hita faty omaly maraina, tao Andahonakoho Antangena. Raha ny vaovao voaray, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any ity vehivavy ity no novonoina, araka ny tombatomban’ny mpitsabo nizaha ny razana. Rehefa maty tsy nisy aina intsony izy, dia natsipin’ny/ireo tsy mataho-tody teo amin’ny toerana mangina tsy be mpandalo. Manoloana an’ity vono olona ity, misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ny nahavanon-doza.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici