- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy hita faty tao amin’ny reniranon’andrena

Antsirabe : Lehilahy hita faty tao amin’ny reniranon’andrena

Lehilahy iray tokony ho 35 taona eo no hita faty tao amin’ny reniranon’andrena tao amin’ny fokontany Ambavalato 401. Garaba fitondrana ireny voankazo hamidy  ireny no hita nanakaiky azy ka mety ho mpivarotra izy ity no tratra alina ka nisy nanendaka sy namono azy izao. Omaly Alatsinainy  maraina no hita ny razana, olona sendra nandalo no nahatazana azy ka nampiantso ny tompon’andraikitra teo amin’ny fokontany. Tsy ela dia tonga teny an-toerana koa ny mpitandro filaminana sy ny BMH nanao ny fizahana. Mampiahihany  ny fahafatesan’ity ranamana ity satria raha  loharanom-baovao voaray dia feno ratra ny tenany. Nahitana ratra lehibe ny ila kibony ary loaka be ny lohany, ankoatra izay ny ratra tao amin’ny lamosiny. Tombana no ilazana fa tena nisy namono ity lehilahy ity raha ny famantarana hita tamin’ny vatany. Tsy nisy marika na taratasy  mety hamantarana azy ity lehilahy maty ity. Marihina fa iva  ny renirano amin’izao tsy fisian’ny orana izao ka mora tazana ilay razana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici