- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tovolahy nisy namatotra teo akaikin’ny fasana

Ambohimangakely : Tovolahy nisy namatotra teo akaikin’ny fasana

Niala tao an-tranony izy ny maraina ary tsy hita nanomboka teo. Ny ampitson’ny krismasy no nitranga ity toe-javatra hafahafa ity. Nilaza izy fa hiaraka amin’ny namany ary teo koa no nahitàn’ny fianakaviana azy farany. Ny alin’iny, teo amin’ny fokontany Ankadiefajoro, ao Ambohimangakely dia nisy olona nahatsikaritra olona izay efa reraka ary maratra ny vatany. Teo amin’ny lohany sy ny sofiny no feno rà. Nifatotra ihany koa izy io ary teo amin’ny toerana izay mifanakaiky amin’ny fasana no hita. Nifamonjena ny famahana ny fatotra sy ny fitondràna azy teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici