- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomadio Toamasina : Jiolahy nitifitra zandary, voasambotry ny zandary ny fito tamin’ireo “bande...

Andranomadio Toamasina : Jiolahy nitifitra zandary, voasambotry ny zandary ny fito tamin’ireo “bande des dix”

Efa nilaza ny zandary eto Toamasina fa tsy hamelan’izy ireo raha tsy hita sy tratra ireo andian-jiolahy mpampaory vahoaka sady mbola nitifitra zandary tao an-trano tao Andranomadio, noho ny resaka vaky trano any amin’iny fokontany Andranomadio sy Ambalamanasy. Nisy vokany izany ankehitriny satria miisa fito izao ireo ekipan’ny « bandes des dix » no voasambotry ny zandary ka isan’izany ilay voalaza fa sefo be mpitarika ireto andian-jiolahy mpamaky trano ao Andranomadio sy Ambalamanasy ity. Raha ny fanazavana dia tovolahy roa nampihaihay no voasambotra taoriana kelin’ilay tranga famakiana trano naha-voatifitra ilay zandary tamin’ny feny sy nahaverezana vola iray tapitrisa ariary ary entana maro tao an-tranony. Raha nentina teo anivon’ny fokontany sy ny andrimasom-pokonolona ireto tovolahy roa ireo dia tsy nisalasala mihitsy izy ireo nilaza fa ireo mihitsy no ekipan’ny mpamaky trano eto. Ireo tovolahy roa ireo no nanoro ny namany tamin’izao famakiana trano tsy mampatory andro aman’alina ny fianakaviana maro tao Andranomadio sy Ambalamanasy nandritra ny fanadihadiana azy, ka voasambotra tamin’izany ny tovolahy dimy mipetraka ao amin’ny lalana « villa saphir ». Isan’izany ilay ambara fa lehibe mpitarika ireto andian-jiolahy ireto. Tratra niaraka tamin’izany koa ireo fitaovana fitondran’izy ireo mamaky trano, toy ny fitaovaa fanapahana rojovy, ireo antsy be ary saron-tava miampy ireo fitaovana maro samihafa. Mbola tsy hita kosa hatreto ireo basy fampiasan’izy ireo mandritra ny famakiana trano izay isan’ny naha-voatifitra ilay zandary tamin’ny feny koa. Raha hiverenana ny tantara dia ny alin’ny alatsinainy 23 desambra nifoha ny talata 24 desambra  tokony tamin’ny 01 ora maraina no nisy namaky ny tranon’ilay zandary tao Andranomadio ary nahavoatifitra azy. Ny 26 desambra no voasambotra ireo tovolahy roa ary taorian’izany no voasambotra ireo ekipany miisa dimy ka nahatonga ireo voasambotra hatreto ho andian-jiolahy miisa fito.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici