Rehefa nokarohin’ny mpitandro filaminana fatratra natao hazalambo, dia voasambotry ny Polisim-pirenena ny roa tamin’ireo jiolahy namono mpamily bajaj sy tovolahy iray, tao Mahajanga tampon-tanana, raha mbola karohina kosa hatramin’izao ny naman’ireto mpanao ratsy azo sambo-belona. Araka ny vaovao voaray, tovolahy iray avy nikorana no nenjehan’ny mpanendaka tao Mahajanga Be, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny roa ora naraina, ary tsy lavitra « bar » iray no nitrangan’ny fanafihana. Nanezaka nitsoaka ilay tovolahy ka nanatona Bajaj sendra azy, nefa tsy namelan’ireo mpanendaka izy fa nokapakapain’ny jiolahy tamin’ny antsibe ny lohany, ka naratra mafy, ary lasan’ireo olon-dratsy ny finday tany aminy. Tsy nionona tamin’izany ireo mpanendaka, fa niharan’ny herisetra ihany koa ilay mpitondra Bajaj, ka sady naratra mafy no voaroba avokoa ny vola rehetra tany aminy. Taorian’izay, rehefa nahazo fampilazana ny mpitandro ny filaminana, dia nandeha avy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy, ka nisy roa lahy voasambotra, ary mbola nahitana antsibe mihoson-drà teny amin’izy ireo.
Eric Manitrisa