Nanomboka ny 24 desambra teo izy no tsy hita izay nalehany ary efa nanomboka nifampitadiavina. Raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana dia nisy olana teo amin’ny fianakavian’ity lehilahy ity. Izany dia mahakasika ny vehivavy iray noeritreretiny hampakarina ho vady. Tsy nety tamin’ny fianakaviana anefa io andriambavilanitra io, raha araka ny loharanom-baovao hatrany. Azo heverina araka izany fa nitarika hatezerana ho an’ilay lehilahy izany ary nitarika azy ho amin’ny famoizam-po. Hatreto aloha izany, raha mahakasika ny tomban’ny mpitandro ny filaminana, dia namono tena tao amin’ny farihin’ny Tritriva ity lehilahy ity ny 29 desambra teo, tokony ho tamin’ny roa ora antoandro. Na izany aza anefa dia tsy maintsy alefa lavidavitra hatrany ny fanadihadiana satria tsy azo esorina mihitsy ny tombana ny amin’ny mety ho fisian’ny vonoan’olona rehefa misy ny fahitàna faty toa izao. Indrindra koa, mbola teny aminy avokoa ny akanjo sy ny kiraro rehetra. Mipetraka ao amin’ny fokontany Imanja, ao amin’ny kaominina Alakamisy Anativato ary eo anivon’ny distrika Betafo ilay lehilahy. Tonga teny an-toerana ny mpanao fanadihadiana ary izay no nahafantarana ny tantara rehetra izay nialohavan’ilay fahafatesana. Amin’ny lafiny iray dia lasa toerana famoizam-po koa izany i Tritriva ankehitriny. Efa niainga tany amin’ny tantarany tamin’ny andron-dRabeniomby sy Ravolahanta no nijanona ho farihy malahelo i Tritriva. Ny nitranga tato ho ato – satria vao tamin’ny 26 desambra teo koa no nisy mpianaka hita faty tao – dia toa mainka lasa manome sary fa toerana famonoan-tena kokoa i Tritriva ankehitriny ary mihoatra noho ny maha toeram-pizahan-tany azy izany.
D.R