- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBy Pass : Taxi-be nifaoka fiara telo sy moto iray, nitsoaka ny mpamily

By Pass : Taxi-be nifaoka fiara telo sy moto iray, nitsoaka ny mpamily

22 ny isan’ireo naratra, raha ny hita teny an-toerana sy ireo notaterina nihazo ny toeram-pitsaboana. Saika ankizy avokoa ny ankabeazan’izy ireo. Na dia naratra mafy sy tsy nahatsiaro tena aza ny sasany tamin’ireo dia voalaza fa tsy  nisy aloha ny namoy ny ainy. Fiara telo kosa no potika niaraka tamin’ny môtô iray. Ireo no vokatry ny loza nahatsiravina nitranga tamin’iny lalan’i By pass iny ny faran’ny taona teo. Fifandonana teo amina fiara kely iray sy fiara mpitatitra, zotra E, mampitohy an’i Tanjombato sy Mahazo. Handeha ho any Ankadidratombo ity fiara ity, raha hitodi-doha any Ambohimangakely kosa ilay fiara mpitatitra. Rehefa avy nifandona ireo dia nivadika ity « zotra E » ity ary nifaoka fiara taxi iray, izay latsaka tanaty hantsana mihitsy, niampy fiara iray hafa sy moto iray. Raha ny fanazavàna nomen’ireo mpitandro filaminana dia tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mamily ilay mpamily nitondra ilay fiara kely nandona. Na izany na tsy izany aza anefa, nambaran’ireo nanatri-maso ihany koa fa nandeha mafy dia mafy ilay fiara mpitatitra, satria dia nifanenjika tamina fiara mpitatitra izy. Samy naka ampovoan-dalana izy ireo, na ilay fiara kely ho any Ankadindratombo na ilay « zotra E » ho any Ambohimangakely. Niezaka niala ihany ity farany, saingy noho ny hafainganam-pandeha be loatra dia tsy tana ny loza ary izay no nampivadika azy. Nifamonjena sy nezahina nentina avy hatrany nihazo toeram-pitsaboana ireo naratra tao anatin’izany. Marihana kosa fa tsy tazana teny an-toerana intsony ny mpamily an’ity fiara mpitatitra ity, niaraka tamin’ny mpanampy azy. Mazava ho azy, mety ho nahatahotra fitsaram-bahoaka angamba izy roa lahy ary nandositra. Ny tsy fantatra fotsiny hatreto dia hoe tena nitsoaka marina ve sa nanatona mpitandro filaminana ho fiarovana ny ainy ? Ny tompon’andraikitry ny pôlisy misahana ny faritra iny rahateo moa, tsy nahazoam-baovao firy, raha nanontanianay omaly mahakasika ny tohin’ny raharaha. « Tsiambaratelon’ny fanadihadiana », hoy izy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici