- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSampana mpamonjy voina sy haintrano Toamasina : Niisa 47 ny haintrano novonjeny,...

Sampana mpamonjy voina sy haintrano Toamasina : Niisa 47 ny haintrano novonjeny, ny taona nivalona iny

Mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpamonjy voina hoy ny komandany, izay no mahatonga azy ireo manana ny filamatra hoe “sahy sy mahafoy tena”. Sambany teo amin’ny tantaran’ny sampana mpamonjy voina sy haintrano eo anivon’ny kaominina eto Toamasina renivohitra, ny famoahany andiany mpiofana sy ho mpiasa hanampy ny isan’ireo mpamonjy voina sy haintrano eto Toamasina. Ny alatsinainy 30 desambra ny taona nivalona teo no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana sy mpiasa vaovao an’ity sampana ity nampitondraina ny anarana “Santatra”  44 mianadahy. Nandritra ny 03 volana ny fampiofanana natao azy ireo araky ny lalan’ny mpamonjy voina sy haintrano, izay nifandrombonan’ireo mpampiofana teo anivon’ny sampana mpamonjy voina sy haintrano Toamasina ihany. Ankoatra izany, dia fantatra izao araka ny taitra nataon’ny komandin’ity sampana mpamonjy voina sy haintrano eto Toamasina renivohitra ity, fa niisa 86 ny fivoahana nanaovan’izy ireo ny asany, ka ny 47 tamin’izany dia famonjena haintrano avokoa ka isan’ireny ny fahamaizan’ny bazary kely sy bazary be. Teo koa ny fisahanana ny afo nateraky ny doro tanety sy afom-pako niitatra nanodidina an’i Toamasina renivohitra; izay niisa 11 ka isan’izany ilay teny Tsarakofafa izay fakona lodsia niitatra ka nahamay ireo tara (goudron) niangona tao an-toerana. Nisy lozam-pifamoivoizana niisa 11 izay saika nahafatesana olona sy vokatry ny kodiaran-droa avokoa no nataon’izy ireo, ny taona nivalona iny sy ny fisahanana ireo maty an-dàlana na anaty rano niisa 06, ary ny fisahanana ireo olona marary tampoka an-dalana izay niisa 03 no nitranga ny taona 2019.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici