Lehilahy iray, voarohirohy tamina resaka fisolokiana lavanila, milanja 27 kilao, izay tombanana ho any amin’ny 27 tapitrisa ariary any ho any no voasambotry ny pôlisy, teny amin’iny faritra Analakely iny , ny alatsinainy lasa teo. Ny zava-nisy araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena : « lehilahy roa tantsaha avy any amin’ny faritra Antalaha iny no niara-nikarakara sy nanangona lavanila ka nikasa ny hivarotra izany eto Antananarivo. Nisy lehilahy nilaza fa manana olona afaka hividy ilay lavanila. Nifanaraka ary fa eny amina Banky iray eny Analakely no handoavana ny vola. Ilay lavanila kosa anefa dia efa nobatain’ireo mpividy ary nentiny tanaty taxi ». Nanome toky tanteraka ity tantsaha ity anefa ilay mpanelanelana, fa olona azo itokiana tsara ilay mpividy ary hiaraka izy ireo handeha haka ilay vola any amin’ny banky. Nony tonga teo Analakely, teo anoloana banky iray dia tsy navelan’ilay iray tamin’ilay mpividy nivoaka ny fiara ilay mpivarotra sy ilay mpanera, fa izy no handeha haka ilay taratasim-bola. Inona anefa no nitranga fa « tsy niverina intsony fa nivoaka tamin’ny vavahady iray avy ao ambadika ». Nony tsapan’ilay mpivarotra amin’izay fa toa ho voasoloky ny tenany, dia notanany tsy navelany nandeha intsony ilay lehilahy mpanelanelana ary nampandre avy hatrany ny pôlisy ny tenany. Ity lehilahy ity moa no nahiahiana avy hatrany ho mpiray tendro tamin’ireo olona nilaza fa vonona hividy ilay lavanila. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy ity lehilahy ity no nahafantarana tokoa fa tena mpiray tsikombakomba izy ireo, ary ao anatina tambazotra iray mihitsy. Amin’izao tokoa dia tsy azo atao intsony ny matoky olona be fahatany na dia miozonozona sy manome toky fatratra aza, toy ny nahazo ireto tantsaha mpanangona lavanila ireto.
m.L