- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Nivoaka avy any Tsiafahy, lehilahy iray tratra nangalatra indray

Ambodin’Isotry : Nivoaka avy any Tsiafahy, lehilahy iray tratra nangalatra indray

Tovolahy roa, raindahiny tanteraka amin’ny  fanendahana no voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny, ny alahady hariva lasa teo. « Ny iray tamin’izy ireo dia efa tratra nanendaka teratany vahiny niaraka tamin’ny antsy, ny volana jolay 2019 teo. Nadoboka teny Tsiafahy ary izao tratra izao indray » hoy ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena. Lasa faritra tena mahamay tokoa raha iny faritra Ambodin’Isotry iny amin’ity  fanendahana ity, indrindra fa raha vao manomboka miha maizina ny andro. Tamin’io alahady io, dia nisy nahatsikaritra roa lahy hafahafa fihetsika tamina toerana iray. Voalazan’ireo nanatri-maso ny zava-nisy, fa « efa olona roa karazana no lasibatr’izy ireo amin’ny fanendahana, hatramin’ny maraina ary dia niverina teo indray izy ireo ny hariva » Vao naharay ny vaovao moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, dia nidina teny an-toerana avy hatrany ary niezaka nanara-maso ny fihetsik’ireto roa lahy ireto. Tamin’izay fotoana izay tokoa izy ireo no niezaka nanaraka olona, izay ninoana avy hatrany fa raha tsy tazana teo dia efa isan’ireo lasibatra indray koa. Nosamborina avy hatrany ireo mpanendaka ary nentina natao fanadihadiana. « Fantatra tamin’izany, fa ireto roa lahy ireto no nanatanteraka izany asa ratsy izany ka eny amin’iny faritra Ambodin’Isotry iny ny toerana fanaovana izany », hoy ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici