Tao anatin’iny oram-baratra mahery vaika, narahana rivotra mahery, nikija teto an-drenivohitra sy ny manodidina iny dia andrin-jiro nitondra herinaratra mahery vaika iray no nianjera tetsy Ivandry. Vokany, vehivavy iray sendra nandalo teo ambanin’izany no maty tsy tra-drano, main’ny herinaratra. Araka ny angom-baovao azo dia tao anatin’ilay varatra nirefotra iny mihitsy, izay sady naharahana rivotra no nianjera ity andrin-jiro ity. Tapaka araka izany ny tariby nitondra herinaratra nentiny ary niantefa avy hatrany tany amin’ity vehivavy, izay angamba sendra nialoka tsy lavitra ilay andrin-jiro. Mahatratra an’arivony « volts » ny herin’ny herinaratra nentin’io tariby io, izay mazava ho azy fa mbola tsy tapaka velively tamin’ny fotoana nianjeran’ilay andrin-jiro. Izany tanjakana herinaratra izany no niantefa teny amin’ity renim-pianakaviana ity. Maty tsy tra-drano ity farany. Na dia teo ihany aza ny vonjy aina nataon’ireo olona nahita dia efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Nantsoina haingana moa teo ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpamonjy voina. Nampilazana ihany koa ny teo anivon’ny Jirama hanapaka haingana izany herinaratra izany, sao dia mbola hampidi-doza olon-kafa indray.
Fa tamin’iny ora-mikija iny hatrany, omaly folakandro dia lehilahy iray ihany koa no namoy ny ainy tao anatin’izany, teny amin’iny faritra Androhibe iny indray. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe nentin’ny rano io lehilahy io. Ny loharanom-baovao hafa anefa nilaza fa nilatsahan’ny varatra ary nianjera tanaty rano nony avy eo. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena antony : voatery nizarazara be ihany koa ireo mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana omaly, izay tokony hanao ny fanadihadiana, noho ny fisian’ireo trano nirodana maromaro fa indrindra ny fisiana tamboho nianjera izay nahafaty olona roa tetsy Nanisàna.
m.L