Sendra ny nahay azy. Noraisim-potsiny tetsy amin’ny 67ha teo amina toerana fakana volan’ny banky mamahan-tena (GAB) ity mpisoloky iray, omaly.
Raha ny fitantaran’ireo saika lasibatra dia niantso azy ireto ity farany. Nilaza fa mpiasa avy eo anivona orinasam-pifandraisana iray ity farany ary nampanantena fa hahazo tombontsoa raha miditra amina tolotra findramam-bola amin’ny alàlan’ny finday, ao amin’ity orinasam-pifandraisana ity. Saingy alohan’izay, dia tsy maintsy manaraka ny toromarika avy aminy izy ireo ary misy kaody am-pidirina. « Efa mailo tanteraka izahay raha vao niantso fotsiny izy ary mody nampiresahana teo ». Nieritreritra tokoa ingahirainy, fa hotafiditra ao anatin’ny haranjonony ireto olona nantsoina. Kanefa fantatr’ireo natsoina tsara tokoa, fa fomba iray fangalana vola eny anivon’ireo « Gab » amin’ny alàlan’ny finday ity toromarika nasaina narahana.
Mpijoko voajoko. Voamarik’ireo olona saika hosolokiany mantsy, fa taoriana kelin’ny nanaovany fametraham-bola tamin’ny finday no niantso ilay mpisoloky. Ary tsy lavitra tamin’izany ihany koa dia nahitana GAB. Mba tsy hahamailo loatra ity olon-dratsy dia mody narahan’izy ireo hatrany ny toromarika nomeny. Fa tao anatin’izany ihany koa anefa dia efa niantso ny sampana mpikarakara ny mpanjifa an’ilay orinasam-pifandraisana izy ireo no sady nizotra nihazo ilay toeram-pakam-bola mamahan-tena ihany. Inona tokoa no niseho fa mbola io eny misy tovolahy, mijorojoro, toa miandriandry zavatra.
Tra-tehaka. « Rehefa nantsoina ny laharana findain’ilay mpisoloky, dia ny findain’ io lehilahy io no naneno, ary izy ihany koa no nandray ». Tsy nisalasalana araka izany, fa tena io ilay mpisoloky ary niomana ny hisambotra izy ireo. Vao nahita olona tamy nanatona anefa ilay tovolahy dia saika hitsoaka, saingy nifanenjehana ka voasambotra ihany. Natolotra avy hatrany ny pôlisy moa ity mpisoloky ity nony avy teo. Ity farany izay niaiky tanteraka ny asa ratsiny nataony, ny saika hisolokiany an’ilay olona na ny fisandohany ho mpiasan’ilay orinasam-pifandraisana.
Efa maro tokoa no lasibatra amin’ny toe-javatra toy izany ka mila mailo hatrany. Ireo orinasam-pifandraisana mikirakira ity resaka fandefasam-bola amin’ny finday ity rahateo, dia tsy mitsahatra ny manentana fa izy ireo dia tsy hiantso na oviana na oviana ny mpanjifany mahakasika toromarika iray ka miafara amin’ny fangalana « isa miafina ». Ankoatra ny dokambarotra mazava ho azy.
m.L