Mpianatra 05 avy ao amin’ny CEG Ratsimilaho, iray sekoly tamin’ilay ankizilahy 14 taona maty vokatry ny ady an-dàlam-be, ny alarobia 08 janoary, ireo voasambotry ny polisy ny FIP sy natao fanadihadiana teo anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Mpianatra 14 taona sy 16 taona ny iray tamin’ireto 05 lahy ireto ary mpianatra 05ème eo anivon’ny CEG Ratsimilaho izy ireo. Raha ny fanazavana, dia niaiky ny iray tamin’ireto ankizilahy 05 notanana teo anivon’ny polisy ireto fa nidaroka sy namely ilay ankizilahy maty tamin’ny hazo, saingy nanamafy kosa izy fa tsy ny hafaty azy no nataony, fa izay hahafay azy amin’ny adin’ny samy ankizy ihany. Araka ny vaovao aza dia ilay ankizilahy namely hazo ity tonga tany an-tranony no nahita tamin’ny tranonkalan-tserasera “facebook” ny fahafatesan’ity ankizilahy ity, raha samy nitsoaka izy sy ireo namany niady taminy raha nahavoa ka nampitsirara azy tamin’ny tany. Maro ireo olon-dehibe nahita ity ady an-dàlam-be nahafaty mpianatra, ny alarobia 08 janoary ity. Saingy tsy nisy na iray aza tamin’ireo nahita ny raharaha no nanakana sy nandray andraikitra nampisaraka azy ireo afa-tsy ny fotoana efa nahitan’izy ireo ilay ankizilahy nitsirara maty vao taitra niantso polisy. Noho io tsy fandraisana andraikitra tamin’ny rehetra nahita ity ady na ankizy niteraka fahafatesana ity, dia hampanao fanadihadiana mikasika ireo olona tsy nandray ny andraikiny hita tamina sary sy ireo mpaka ny sary naparitaka ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, manomboka izao. Androany no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana misahana ny ankizy tsy ampy taona ny raharaha, ka nandritra ny fotoana nanoratana ny vaovao, dia mbola tsy nivoaka ny didy savaranon’andon’ny mpitsara mpanao famotorana.
Malala Didier