Fitaovam-piadiana mahery vaika, basy « kalach » iray no tratra teny am-pelatanan’ny dahalo tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Tety Analatapia, fokontany Andrahalana, distrika Ambatofinandrahana, omaly vao mangiran-dratsy. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao dia toby famaharan-dahalo ity toerana nahitàna ilay basy ity. Nisy mantsy, hoy hatrany ny fanazavàna azo, ny angom-baovao azon’ny avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatofinandrahana, mahasika io toerana io sy ny misy azy. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany tany amin’io toerana io ireo zandary. « Rehefa natao ny fisavàna ny toerana voalaza eo ambony dia tsy tratra tao intsony ireo dahalo fa basy « kalachnikov » iray no hita tao izay nogiazana avy hatrany ». Marihana, hoy hatrany ny vaovao, fa tsy fitaovam-piadiana ampiasain’ny zandarimariam-pirenena ity basy mahery vaika sarona ity. Hatreto araka izany dia tsy mbola hay velively ny loharano niaviany ka nahatonga azy ho eny am-pelatanan’ireo olon-dratsy. Mitohy araka izany ny fanadihadiana mahakasika izany ary heverina fa ho fantatra tsy ho ela.
m.L