Ny motera roa no indray maty. Tsy nisy azo natao intsony tamin’ity vedety nitondra komoriana miisa 13. Niandry izay nitondran’ny rivotra azy ireo fotsiny sisa ny mpandeha. Omaly dia tany Mahajanga no hitan’ny mpiandriaka ny fisian’izany. Olona efa reraka be daholo no tao anatiny. Sady noana no nangetaheta ary efa manomboka miady amin’ny fahafatesana. Avy hatrany dia nanomboka ny famonjena ary nitatitra ireo olona tamin’ny lakana. Raha araka ny fanazavana azo dia tsy hita nanomboka ny 28 desambra tamin’ny taon-dasa teo ity sambo kely ity. Izany hoe 15 andro izany no natopatopan’ny ranomasina teny ary dia niandry izay nigadonany fotsiny. Efa nalemilemy sy nitsirepirepy avokoa ny mpandeha tao anatiny ary ny tena nampalahelo dia ny fisian’ny aza amam-behivavy tamin’ireo. Na izany aza aloha tsy nisy aina nafoy rehefa nomena ny fitsaboana sahaza avy hatrany. Notaterina tao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina tao Mahajanga izy ireo. Nifandrimbona ny manam-pahefana tao an-toerana, isan’izany ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamonjy voina tamin’ny fitsenana sy ny fitaterana. Noraisin’ny fanjakana manontolo ny saran’ny fitsaboana. Isan’ny tonga teo an-toerana koa ny APMF ary nifandrimbona tamin’ny fanavotana. Amin’ny tranga toa izao dia tsy maintsy misy ny fampandrenesana ny manam-pahefana komoriana avy hatrany ary izy ireo no mandray an-tànana ny fampodiana ny olony. Na izany aza anefa adidin’ny fanjakana malagasy ny miahy ireo olona ireo mandra-pahatongan’izay fotoana hiverenany any amin’ny fireneny. Mampatsiahy ny fisian’ireo piraty somaliana am-polony izay simba motera koa ny vedety fampiasany ka natopatopan’ny rano teny sisa. Teny amorontsirak’Antsiranana no nifarana ny dian’ireo ary efa olona efa tena nahia kely avokoa sy niady tamin’ny fahafatesana. Natao izay namelomana azy ary naiditra am-ponja tao an-toerana nandra-piandry ny fangalan’ny fanjakana somaliana azy ireo. Ny tranga toy izao dia mbola manaporofo fa misy ny sambo izay tsy misy fitaovam-pifandraisana akory kanefa mivezivezy eraky ny oseana.
D.R