Ny faramparan’ny taona teo iny no nahatsikaritra olona mihaodihaody foana ity rangahy iray monina eny amin’iny faritra Tanjombato iny. Olona mampiahiahy tokoa raha ny fihetsik’izy ireo, hoy ny fanazavana azo, saingy tsy nataon’ilay rangahy handefasana eritreritreritra lavitra anefa izany. Nanomboka niha-mahana anefa ny lehilahy taty aoriana rehefa naharay fandrahonana tamin’ny alàlan’ny finday. Ary andro vitsivitsy taorian’io, ny voalohandohan’ny taona teo no nisy nanafika ny tokantranony.
Trano lehibe iray eo an-tampon-tanànan’i Tanjombato ity lasibatry ny fanafihana ity. Very tamin’io ny vola mitentina 20 tapitrisa ariary teo ho eo, niaraka tamin’ireo firavaka sarobidy maromaro. Ambonin’izay anefa, dia mbola tsy namelan’ireo olon-dratsy ilay rangahy tompon-trano, efa voatily sy nahazo fandrahonana, fa mbola noratrain’izy ireo tamin’ny vely kibay ny lohany. Araka ny angom-baovao azo hatrany, dia tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any nigadona tao amin’ity trano iray ity ireo olon-dratsy. Miisa roa moa izy ireo, raha hitan’ilay voatafika fa tsy fantatra izay mbola tany alan-trano tany, izay mitondra hazo sy basy. Tsy fantatra izay fomba nahafahan’izy ireo niditra ilay trano. Ireto roa lahy ireto efa nijoro teo an-dohafandrian’ilay rangahy no nanaitra azy. Tsy afa-niantso vonjy akory ity farany, fa avy hatrany dia daroka no nahazo. Angamba efa tsara loharanom-baovao ihany koa ireo olon-dratsy, fa hitan’izy ireo tsara ny fisian’ny vola tahirin’ity rangahy ity tao an-trano, niaraka tamin’ny fitoeran’ireo firavaka sarobidy isan-karazany; izay tsy nanan’ireo olon-dratsy antra moa fa dia lasan’izy ireo daholo. Rehefa azon’izy ireo ny nilainy dia nitsoaka ireto farany. Ilay rangahy naratra kosa, nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana.
Heverina ity lasibatra ity fa angamba olon-dratsy mitovy ihany ireo olona nanafika ny tranony sy ireo olona nandrahona azy, eny fa mety hatramin’ireo olona nampiahiahy nihaodihaody teny aminy aza. Efa nametraka fitarainana avy hatrany tany amin’ny mpitandro filaminana moa ity voatafika ity ary andrasana ny vokatr’izay.
m.L