- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversVohipeno : Trano  235 may kila forehitra, tafakatra 1 115 ireo traboina

Vohipeno : Trano  235 may kila forehitra, tafakatra 1 115 ireo traboina

Nitrangana hain-trano nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Isalo (ampitan’ny hopitaly Andrefana), ao Vohipeno tampon-tanàna, afak’omaly tolakandro. Nanomboka tamin’ny iray ora sy 15 minitra ny firehetana, ka trano  235 no may kila forehitry ny afo, ary tafakatra 1 115 ireo tra-boina tsy manan-kialofana. Trano  35 no tsy maintsy noravana mba tsy hiitaran’ny afo. Raha ny vaovao voaray, vokatry ny tsy fitandremana, fiara iray natao « soudure » nirehitra no niandohan’ny afo, ka nitarika fahamaizan’ny tanàna. Noho ny tsy fisian’ny « pompier » any amin’ny Distrikan’i Vohipeno, dia nananosarotra ny famonoana ny afo, ka ora maromaro taorian’ny firehetana vao voafehy tanteraka ny afo, na dia teo aza ny fiaraha-nientan’ny mponina any an-toerana sy ny mpitandro filaminana. Omaly, naraina ihany, raha vao nandre ny loza ny mpitantana avy ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, dia nidina tany Vohipeno nitondra ny voatsirambin’ny tànana voin-kava- mahatratra ny Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana sy ny « Préfet »-n’i Manakara, ka nanolotra vary sy voamaina, . . ., ho an’ireo tra-boina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici