Efa ela no nahalala ny fisian’io tovolahy kely mamoa fady io tao Antsenakely Antsirabe ary rehefa voasambotra izy dia niaky tokoa fa tena manao firaisana amin’ny biby dia ny alika izany. Tsy vitan’izay fa mbola ataony mahita faisana ihany koa ny bandy kely namany ao Antsenakely ao ampihariny ny filan-dratsiny. Marihina fa ankizy tsy manan-kialofana izy ireo ary mpatory an-tsena. Nandritra ny fisafoana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny sampandraharaha misahana ny ankizy tsy ampy taona eto Antsirabe ambonivohitra no nahatratrarana azy.
Ankoatra izay dia nandrenesana fitarainana amin’ny tsy fandriam-pahalemana noho ny fisian’ireo ankizy mpirenireny ireo ny mpivarotra ao Antsenakely satria efa maro no vaky tsena. Fantatra fa misy amin’ireo ankizy ireo no manendaka sy manao sinto-mahery rehefa hariva ny andro.
Raha ny vaovao voaray teo amin’ny mpitandro filaminana dia ankizy 15 isa tao Antsenakely no efa naterina eny amin’ny toerana fitazaina ankizy mpirenireny ireny eto Antsirabe.
Andry N.