- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIfanadiana : Dimy lahy tra-tehaka nangalatra lavanila manta 15 kg

Ifanadiana : Dimy lahy tra-tehaka nangalatra lavanila manta 15 kg

Nitrangana halatra lavanila manta teny an-tsaha indray tany amin’ny Dsitrikan’ Ifanadiana, Faritra Vatovavy Fitovinany, ny alin’ny valo janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora halina. Raha ny vaovao voaray, dimy lahy nanafika sahana mpamboly lavanila iray, tao Andranombilahy. Novonoin’ireo olon-dratsy ny mpiambina ity tanin-davanila ity. Taorian’izay, rehefa nahazo ny remby notadiaviny ireo jiolahy dia mbola nangalatra tao Andranofolahana ihany koa ny alin’io, ka nilanja 15 kg ny totalin’ny lavanila maitso azon’ireto mpandroba. Nokarohina natao hazalambo ireo olon-dratsy, ka taorian’ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitra-po, dia voasambotry ny polisy tao an-tampon-tanànan’ Ifanadiana ireo jiolahy raha saika hivarotra ireo lavanila maitso avy nangalariny. Raha ny loharanom-baovao azo akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, dia efa ela ireto andian-tanora voasambotra izay malaza ratsy amin’ny halatra ireto no nokarohina. « Ny halatra lavanila manta am-potony toy izao no mahatonga ny vidin’ny lavanila midina ambany be aty aminay, ka mila handraisan’ny fanjakana fepetra hentitra fa manimba ny lalam-pihariana lavanila », hoy ireo mpamboly.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici