- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversResaka 65.000 ariary : Mbola mitohy ny fitokonan’ny mpampianatry ny Lisea J. Rabemananjara

Resaka 65.000 ariary : Mbola mitohy ny fitokonan’ny mpampianatry ny Lisea J. Rabemananjara

Mbola mitohy ny fitokonana, hoy ireto mpampianatra ireto mandra-pahitan-dRamatoa minisitra vahaolana momba an’iny anjara volan’izy ireo tamin’ny filoham-pirenena iny, satria mpiasam-panjakana tahaka ireo namany mpiasa birao koa ireto mpampianatra mpandray tsaoka any an-dakilasy mitokona ireto, hoy hatrany ireto mpampianatra. “Tsy resa-bola loatra ny mampitokona anay amin’ny fitakiana izay ataonay, fa ny fanaovana anay ho tsinontsinona mihitsy no tena tsy tianay”, hoy hatrany ireto mpampiantry ny lisea J. Rabemananjara Toamasina. Raha nanantena hahazo fanazavana tsara sy mahafa-po tamin-dRamatoa minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika izy ireo, dia vao mainka fandatsana azy ireo indray no nataony raha ny fahitan’izy ireo azy ny zoma teo, nandritra ny fihaonana sy fanomezana tamin’ireo mpampianatra vao nahazo fifanarahana arakasa tamin’ny fanjakana ny taratasy milaza azy ireo ho voaray ho mpiasam-panjakana. Nitohy koa izany tamin’ny fampiantsoan’ny prefen’i Toamasina ireo solontenan’ny mpampianatra isaky ny taranja misy eo anivon’ny Lisea J Rabemananjara. Teo koa ny nataon’ny talem-paritra atsinananan’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika niaraka tamin’ny Sisco Toamasina I tamin’ny fandresen-dahatra ireto mpampianatra ny handraisan’izy ireo ny fampianarana, saingy izao mbola mitohy izao aloha ny fitokonana hatreto. Ankoatra izany anefa dia saika efa nandray ny fampianarana avokoa ny ankamaroan’ireo mpampianatry ny Epp sy ny Ceg ary ny Lisea Toamasina II taorian’ny fandalovan-dRamatoa minisitra teto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici