- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Lehilahy maty teny an-tsena, nivoaka rà ny vavany

Andravoahangy : Lehilahy maty teny an-tsena, nivoaka rà ny vavany

Hafahafa. Hatairana tsy misy toa izany ny an’ireo mpiantsena teny amin’iny faritra Andravoahangy iny omaly. Lehilahy iray, tokony ho 35 taona any ho any mantsy no hita faty nitsirara tamin’ny tany ary nivoaka rà ny vavany. Raha ny filazan’ireo nahita dia toy ireny olona mifamezivezy tao an-tsena tao izy io saingy tampoka teo dia nihiaka mafy ary nikarapoka tamin’ny tany. Nitsipatsipaka sy nivoaka ranon-javatra menamena ny vavany ary tsy nihetsika intsony nony avy eo. Noheverin’ny maro fa nihetsika aretina, androbe na tahak’izany ka nitangorona fotsiny aloha ny olona fa nony nahita ny rà nivoaka ny vavany vao samy taitra avokoa. Nisy feo hafa indray niely fa toa hoe nisy nahita izy nandray sakafo tamina olona nanolotra azy izany. Taorian’io, rehefa avy nihinana ilay sakafo no io nitsirara sy nandoa rà io. Feo niely fotsiny anefa izany hatreto aloha fa mbola tsy fantatra mazava izay tena antony nahafaty tampoka an’io lehilahy io, raha tsy aorian’ny fitsirahana ataon’ireo mpitsabo. Nampandrenesina mahakasika ity toe-javatra ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Tonga teny an-toerana naka ny razana kosa ny avy eo anivon’ny Sampan-draharahan’ny fahadiovana eo anivon’ny kaominina (Bmh), nitondra ny razana ho an’ny tranom-patin’ny hôpitaly.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici