- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Dahalo iray nitam-basy azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 18 avy nangalarina

Maintirano : Dahalo iray nitam-basy azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby 18 avy nangalarina

Rehefa nahazo antso vonjy tamin’ny mponina ny miaramila, mahakasika ny fanafihan-dahalo nitranga tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Andabotoka Distrikan’i Maintirano, dia tonga ara-potoana ireo mpampandry tany, ka dahalo raindahiny iray nitam-basy no azo sambo-belona niaraka tamin’ny omby  18 avy nangalarina, afak’omaly. Efa am-pelatanan’ny zandary atao famotorana ankehitriny ity dahalo tra-tehaka ity, raha mbola mitohy kosa hatramin’izao ny fikarohana an’ireo namany tafaporitsaka. Ireo omby very kosa, raha ny vaovao voaray, dia efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa amin’izao. Ary ireto andian-dahalo mitam-piadiana ireto no voalaza, fa tompon’antoka tamin’ny halatra omby  30, niaraka tamin’ny zanany, tao amin’ny Kaominina Andrea, Distrikan’i Maintirano, ny 24 desambra lasa teo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici