Olona iray no maty tsy tra-drano tao Ivoloina raha voadonan’ireo olona avy nanao ny adidiny tamin’ny fambolen-kazo tao Antetezana namonjy fodiana teto Toamasina renivohitra ny alahady hariva. Mpandeha bisikileta ity voadona ity ka ny fikapohan’ny lohany tamin’ny arabe no niteraka ny fahafatesany. Tery dia tery ny lalana nandritra izany satria olona 5.000 teo no tonga tao Antetezana niatrika ity fambolen-kazom-panjakana ity, nefa efa lalana be mpampiasa ny lalam-pirenena faha-05 amin’ny fitaterana ireo mpandeha mamonjy an’i Fenerivo atsinanana sy Soanierana Ivongo ary Vavatenina, sy iny tapany avaratr’i Toamasina rehetra iny, ary alahady raha teo no nitrangan’ilay fambolen-kazo tao Antetezana, nefa fotoana fanaovan’ny fianakaviana maro fialan-tsasatra any Mahavelona Foulpointe. Efa nanao ny ezaka rehetra nifampiresaka sy nifandamina ary nanao ny fomba malagasy tamin’ny fianakavian’ny maty ireo tompon’andraikitra samihafa sy ilay nahavanon-doza. Efa nalain’ny fianakaviany teo anivon’ny tranom-patin’ny hopitalibe rahateo ilay tovolahy maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-05 teo am-pidirana ny Ivoloina raha avy any Antetezana ity. Ankoatra izany dia nahagaga ny mpamboly zanakazo nampiasa ny lalam-pirenena faha-05 tamin’izao fambolen-kazo tao Antetezana izao, ny faharatsian’ny lalana na efa nilaza ny fanamboarana izany aza ny fanjakana. Ny ao Antetezambaro – Vohimbendrana – ary hatrao Ambodiatafana ihany no nisy fanamboarana kely izay mirefy eo amin’ny 04km mahery kely eo mitsitapatapaka ny asa vita.
Malala Didier