« Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny famotorana io lehilahy io, izay tazomina natao andrimaso aty aminay », hoy ny avy eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary Imerina Centrale etsy Ankadilalana, izay miandraikitra iny faritra Anjozorobe iny omaly. Ny faran’ny herinandro teo tokoa mantsy dia lehilahy iray izay efa malaza ratsy amin’ny resaka fakàna an-keriny sy fanaovana takalonaina no voasambotry ny miaramilan’ny Das (détachement autonome de la sécurité), tany Ambohitsimarofotsy, kaominina Marotsipoy. Satria tsy manana fahefana hanao fanadihadiana (police judiciaire) ireto miaramila nisambotra azy ireto dia voatery natolotra ny zandary tany an-toerana izany ary io nampiakarina avy hatrany sy notazomina aty an-drenivohitra io. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe efa ela no nikarohana azy ity saingy izao vao tratra. « Hatreto anefa dia mbola resaka ahiahy aloha no tena antony nisamborana sy nitazomana azy hatao famotorana. Ny fizotran’ny fanadihadiana atao ihany angamba no tena ahafantarana marina na tena voasaringotra amin’izay resaka fakàna takalonaina izay ny lehilahy na tsia », hoy hatrany ny fanazavana nomen’ireo mpanao famotorana. Tsiahivina tokoa fa vao volana vitsivitsy izay no nitrangana fangalàna takalonaina tao amin’io kaominina iray ao amin’ny distrikan’Anjozorobe io. Efa avotra soa aman-tsara moa ilay raim-pianakaviana lasan’ireo jiolahy tamin’izay fotoana izay, saingy hatreto dia mbola tsy voasambotra ilay tena atidoha nikotrika izany.
m.L