Raha noafahan’ny fampanoavana tao Fenerivo atsinanana talohan’ny fitsarana ny raharaha Ingahy Ratianarisonina Nirina, polisy kaominaly 43 taona, rehefa niakatra fitsarana ny 02 janoary 2020 ilay raharaha fanolanany ity zazavavy 09 taona tao Vavatenina, dia nivadika ny rasa izao fa noazonin’ny mpitsara mpanao famotorana am-ponja vonjimaika ny tenany raha niakatra teo anivon’ny fanadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha ny 16 janoary teo. Olona maro no manaraka akaiky ity raharaha ity ao Vavatenina sy Fenerivo atsinanana, satria tena simba tanteraka ilay zazavavikely 09 taona. Raikelin’ilay zazavavikely ity mpanolana azy ity, satria mianadahy ny zaza tezain’izy mivady ao an-trano, ka ilay zazalahikely zanak’ilay rangahy, fa ilay vavy no an-dramatoa. Mpampianatra any ambanivolin’ny Vavatenina ny renin’ilay zazavavikely, ka isaky ny herinandro ihany no mba miakatra ao an-tampon-tananan’i Vavatenina. Mandritra ny tsy maha-ao an-tanana an-dramatoa io ny fanolanan’ilay raikeliny an’ilay zazavavikely, ka efa in-08 naolany ilay zana-badiny nandritra izao nahatrarana azy izao. Ankoatra izany dia noteran’ny mpitsara mpanao famotorana ao Fenerivo atsinanana tsy mahazo mifandray amin’ny mpanao gazety ny renin’ilay zazavavikely taorian’ny fiakaran’izy ireo mpitsara mpanao famotorana farany teo.
Malala Didier