- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Harifidy : Ny minisiteran’ny fambolena no mpitory

Raharaha Harifidy : Ny minisiteran’ny fambolena no mpitory

Niakatra omaly teo anivon’ny borigady manokana misahana ny raharaha heloka bevava eo anivon’ny zandary etsy amin’ny Toby Ratsimandrava i Harifidy Ramanadraibe. Raharaha ady tany no antony niantsoana azy ary ny minisiteran’ny fambolena no mpitory. Nandritra ny adiny dimy ny fanadihadiana izay nataon’ny borigady ; izay sady misy manamboninahitry ny zandary sy polisy tao anatin’ny rafitra mpanadihady. Tsy nisy nipika ny resaka tao anatiny noho ny fanajàna ny tsiambaratelon’ny famotorana. Na izany aza, dia naneho hevitra ny olona voakasika fa antsojay no mahazo azy ankehitriny. Vao tamin’ny herinandro no nosavan’ny borigady misahana ny heloka bevava eo anivon’ny polisy ny tranony ary natao fanadihadiana izy taorian’izay. Omaly indray dia io nohenoina teo anivon’ny zandary io izy. Ny tena nahatalanjona azy dia ny hoe : nahoana no eny amin’ny sampana heloka bevava no hanadihadiana azy kanefa ady tany no anton’ny fitoriana ? Efa fantatra rahateo, fa misahana ny fanadihadiana dosie politika io borigady io ary mbola isan’ny nampitombo ny fanahian’ny voakasika izany. Ny solontenan’ny holafitry ny mpanao gazety izay tonga teny an-toerana dia nanao fanamarihana izay natao taratasy mipaingotra ny firaiketana an-tsoratra ny fihainoana an’i Harifidy. Isan’ny voasoratra ny hoe : « tao anatin’ny herinandro dia in-telo nampanantsoina izay ity mpanao gazety ity ary nosavaina koa ny tranony (…) tsy hidiran’ny holafitra ny votoatin’ny fitoriana azy fa mampiahiahy kosa ny antsojay atao amin’ity mpanao gazety ity noho ny fanehoan-keviny mitondra feo hafa izay mety manelingelina (…) napetrakay ity fanamarihana ity sao sanatria ka ny fanehoan-keviny sy ny asa an-gazety ataony no haningorana azy amin’ireo raharaha iatrehany famotorana ireo ». Ny olona voakasika dia mahita, fa filam-baniny azy no mitranga ankehitriny. Na izany aza dia notsipihany fa nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fanadihadiana ary nanao ny asany ara-dalàna sy am-panajàna ny mpitandro ny filaminana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici