- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAndrondrakely : Novakiany ny trano ary nentiny nitsoaka ny zanaky ny mpampiasa...

Androndrakely : Novakiany ny trano ary nentiny nitsoaka ny zanaky ny mpampiasa azy

Ambonin’ny entana sarobidy very, izay mitentina any amin’ny enina tapitrisa ariary any ho any, dia mbola nentin’ireo olon-dratsy ihany koa ny zanaky ny tompon-trano. Raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisy nisahana ny raharaha, dia ilay mpanampy tao an-trano no nahiahiana avy hatrany ho nahavita izany, niaraka tamin’izay olon-kafa nanampy azy. Teny amin’iny faritra Androndrakely iny moa nisehoan’ity tranga ity ny herinandro lasa teo.

Tonga nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy ireo mpivady tompon-trano, ray aman-drenin’ilay zaza. Raha ny zava-nisy mantsy, araka ny fampitam-baovao azo : nony tonga avy niasa ireto mpivady dia gaga nahita ny tranony nivoha nibanaka. Entana maro no banga tao an-trano. Tsy hita ihany koa ny nalehan’ny mpanampin’izy ireo sy ny zazakely. Niantefa tany amin’ilay mpanampy avy hatrany ny ahiahy ary fantatra fa any Antsirabe ity farany no monina. Natao ny vela-pandrika ka tratra ity farany rehefa nojonoina tamin’ny alàlan’ny sakaizany. Tratra tao aminy ihany koa ilay zazakely niaraka tamin’ireo entana nangalariny. Tamin’ny famotorana azy, hoy hatrany ny fanazavàna azo no nanondroany lehilahy iray, mpitondra taxi, izy niray tendro taminy, nitaona ireo entana. Ny amin’ilay zaza kosa dia nilaza ity mpanampy ity, fa « tsy foiny  ka izay no antony nitondràny azy ». Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ireto olona telo ireto ka ilay mpitondra taxi sy ilay mpanampy no nadoboka avy hatrany any am-ponja, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay tovolahy sakazain’ity farany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici